Hanomboka rahampitso, any New York, ny fivoriamben’ny Firenena mikambana (ONU), andiany faha-80. Miisa 193 ireo firenena handray anjara amin’izany ka anisany i Madagasikara.
Anisan’ny lohahevitra lehibe amin’ity fihaonana an-tampony ity ny 80 taonan’ny ONU, nanehoana ny fiaraha-mientana ho amin’ny filaminana sy fandriampahalemana ary koa ny fampandrosoana sy ny fiarovana ny zon’olombelona. Hiadiana hevitra amin’izany ireo laharam-pahamehana maneran-tany. Fotoana koa io hanamafisana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena. Hiompana amin’ny filaminana sy fandriampahalemana, ny fampandrosoana maharitra, ny zon’olombelona ary koa ny fiovaovan’ny toetr’andro ny lahadinika amin’izao fivoriamben’ny ONU izao.
Efa hivory mialoha ireo tompon’andraikitra isan-tokony sy ireo minisitra avy amin’ireo firenena mpikambana. Anjaran’ireo filoham-panjakana sy ny lehiben’ny governemanta kosa ny manatanteraka ny fihaonana, manomboka ny 23 hatramin’ny 27 septambra. Anisan’ny horesahina amin’izany ireo toe-draharaha mafampana maneran-tany. Hifarana ny 29 septambra kosa izao fivoriambe, andiany faha-80 eo anivon’ny ONU izao.
Tsiahivina fa anisan’ny andraikitra lehibe tanan’ny ONU ny fijerena ny olana eo amin’ny filaminana maneran-tany, ny ady amin’ny fiovan’ny toetr’andro. Ny momba ny zon’olombelona ary koa ny fampandrosoana maharitra Mankatoa koa ireo fehinkevitra tapaky ny fivoriana nefa koa tsy miandany. Eo koa ny fifidianana ireo mpikambana tsy maharitra eo anivon’ny filankevi-pilaminana sy ny sekretera jeneraly ary koa ireo rafitra hafa eo anivon’ny ONU.
Synèse R.




