Tsy niova tanana ny nahazo ny amboaran’i Madagasikara 2024, taranja rugby. Mbola norombahan’ny Cosfa miaramila izany, omaly, tetsy Andohatapenaka, rehefa lavon’izy ireo tamin’ny moka fohy, teo amin’ny dingan’ny famaranana, 40 no ho 39, ny FTM Manjakaray. Raha hiverenana kely, ny fifanandrinana teny an-toerana, hita ho tena niady tanteraka ny lalao, samy nampiseho fahavitrihana ny haka io amboara lehibe io, ny andaniny sy ny ankilany. Teo amin’ny fidirana voalohany, maro ireo baolina nentin-tanana nataon-dry Gervais sy ny namany, ho an’ny Cosfa, ary betsaka kosa ny baolina notsiandrian-dry Lahatra sy ny mpiara-milalao aminy, anatin’ny klioba FTM. Ady sahala 20 no ho 20, nentin’ny roa tonta niala sasatra. Nandritra ny fizaram-potoana faharoa, nanomboka nampitaintaina sy nampientanentana ny maro ny fifanandrinana. Teo ampamaranana ny lalao, nanao fahadisoana ny Cosfa. Notsarain’i Koroka izany, saingy tsy nifanandrify tamin’ny haintso, ka nanokatra ny lalan’ny miaramila tany amin’ny fandresena.
Araka ny fanazavana voaray eo anivon’ny Malagasy Rugby, mety hatao ny 21 septambra ho avy izao, ny fiadiana ny amboaran’ny “Super Coupe”, ary ny FTM, Tompondakan’i Madagasikara sy ny Cosfa, nandrombaka ny amboara, tamin’ity ihany, hifampitana amin’izany. Tonga nanatrika sy nanolotra ny amboara teny an-toerana moa, ny minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena (MJS), Marson Moustapha Abdulah.
Fitia Randria




