Na dia teo aza ny olana nianjady tamin’ny atleta malagasy, nitondra medaly roa, alimo sy volafotsy, izy roa mianadahy, izay niatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, Beach Wrestling Africa 2025.
Notanterahina tany Casa Blanca Maroc, ny 3 hatramin’ny 7 septambra lasa teo, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja tolona amin’ny torapasika «Beach Wrestling», sokajy U15, U17 ary “senior”. Tsy nitsanga-menatra ny delegasionina malagasy tamin’ity, satria nandrombaka medaly roa. Nahazo ny volafotsy, Andrianambinina Tahirisoa Tinah, -45 kg, sokajy vehivavy U17, raha toa ka alimo no azon-dRazafindratandra Jean René, -60kg, U15, atleta lehilahy.
Marihina fa izy roa ireto ihany no afaka nalefan’ny Federasionina malagasin’ny taranja tolona (FML), niaro ny voninahi-pirenena tany Maroc. “Somary olana ho anay, ny resaka fasika, ny tsy fahampian’ny traikefa, saingy ireny no vita ary manantena fa mbola handrombaka ny volamena, izahay, amin’ny taona manaraka”, hoy izy mianadahy, taorian’ny fifanintsanana izay natrehany.
Tsara ny mampatsiahy fa nahena noho ny resaka ara-bola ny delegasionina malagasy. Raha tokony ho enina no nandeha tany Casa Blanca, voatery natao ho telo izany. « Efa nandefa ny taratasy fangatahana tany amin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS) izahay, saingy noho ilay fialantsasatry ny governemanta dia tsy mbola voaresaka tamin’ny filankevitry ny minisitra izany », hoy Raveloson Mamitiana, filohan’ny FML, ny volana aogositra lasa teo, tetsy Ampefiloha.
Mangataka ny mba handrosoana ireo antontan-taratasy ireo anaty filankevitry ny minisitra taorian’izay fialantsasatry ny governemanta ny lehiben’ny tolona eto Madagasikara. « Mba hahafahanay mpitantana ny tolona malagasy mamerina ny lany rehetra amin’ity fiatrehana ny Africa Beach Wrestling ity », tsiahy tamin’ny tenin’ny tomponandraikitra voalohany ny FML.
Fitia Randria




