Fampandrosoana eny ifotony : Naravon’ny MFFT ny tetikasa Mionjo

Hiditra amin’ny dingana faharoa ny tetikasa Mionjo, iarahana amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Notanterahina tetsy Anosy, araka izany, ny atrikasa fa­mintinana sy fandravonana ity tetikasa fampandrosoana eny ifotony ity. Niara-nifanotrona tamin’izany ireo solontena avy amin’ny Andrimpanjakana, ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika ary ny solontenan’ny vondron’ny fiarahamonim-pirenena.
Nambaran’ny eo anivon’ny MFFT fa tanjona amin’izao fihaonana izao ny famintinana sy ny nandravonana ny fitsidihana natao teny anivon’ny kaominina sy ny atrikasa isam-paritra notanterahina tany amin’ny faritra Anôsy, An­droy ary Atsimo-Andrefana. «Nifampizarana tamin’izany ny traikefa niainana teny ifotony sy ny fanazavana ara-teknika ary ny paikady. Ha­ha­fahana mamantatra ny vokatra efa azo, ny fomba fanao tsara ary ny fepetra ilaina ha­hombiazana ho amin’ny fampandrosoana eny ifotony », hoy ny avy amin’ny minisitera.
Nisongadina tamin’izany koa ny lanjan’ny fandraisan’anjaran’ny vondron’ny fiarahamonim-pirenena, ny filana mampifanaraka ny asa amin’ ny zava-misy eo an-toerana ary ny fanamafisana ny fahaiza-manao eo amin’ny Andrim­panjakana, mba hahazoana antoka fa haharitra ny vokatra.
Tsiahivina fa mikendry ny hanamafy ny fizakan’ny mponina any atsimon’ny Nosy ny tetikasa Mionjo, amin’ny alalan’ny fampiasam-bola amin’ny fotodrafitrasa maharitra izao atao izao. Eo koa ny fanohanana ny fivelomana maharitra ao anatin’ny fomba fiasa mirindra sy miara-miasa amin’ny sehatra maro. « Fototra entina hanomanana ny dingana faharoa amin’ny tetikasa Mionjo ny torolalana sy ny fehin-kevitra nivoaka tamin’ity atrikasa ity », hoy ny eo anivon’ny MFFT.

Synèse R.

Partager sur: