Lomano-Afrika Zone IV: Laharana faha-3 i Madagasikara

Nisongadina indray ny Ma­­lagasy mpilomano, nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, faritra faha-4, taranja lomano, notontosaina tany Manzani Eswatini, ny he­ri­nan­dro lasa teo. Medaly 28 be izao no azon’izy ireo, volamena 10, volafotsy 11 ary alimo 7. Noho io vokatra io, tafapetraka eo amin’ny laharana faha-3 amin’ny firenena 12 nandray anjara i Ma­daga­si­ka­ra. Nambaran’ny filohan’ny “Ma­dagascar Aquatics”, Raveloson Mick Roland, teo am-pahatongavana teny Ivato, omaly, fa tena tsara ny vokatra azon’ny Malagasy ary mbola hanohy ny ezaka ha­trany ny federasionina amin’ny fampitomboana izay vokatra izay. Ny hiatrika ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany no tanjona izay nomarihany fa afaka mandray anjara amin’izany ireto solontena malagasy niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika ireto. Misy ihany koa ireo Malagasy mpilomano mianadahy, Rakoto­be Tendry, sy Andria­naho Marie Ange, voatsonga nandritra ny fifaninanana na­sionaly ka nahazo fiofanana tany ivelany. Afaka mifaninana amin’ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany ihany koa. Atleta malagasy anisan’ny nisongadina, i Koty Glo­rios, izay nahazo medaly vo­lamena 4 sy volafotsy 2, ka “record zone 4” ny teo amin’ny 100 m QN ary nahavita nanatsara zava-bita nasionaly ihany koa izy.

Mi.Raz

Vokatra

Aina Emadisson : Volafotsy : Relais 4x100m QN, Alimo : 200m brasse
Rakotondramanga Eliot : Volamena : 50m Dos, 50m PAP, Volafotsy : 100m PAP, 100m Dos, Relais 4x100m QN, Alimo: 200m QN, 50m NL
Rakotobe Tendry : Volamena : 50m NL, 200m QN, 50m PAP, Volafotsy : 50m Dos, 100m Dos, Relais 4x100m QN
Ranaivoson Serena : Volafotsy : 100m Brasse, 50m Brasse,Alimo: 200m Brasse
Randriamihaija Riantsoa : Volafotsy : 50m NL, Alimo: 100m brasse, 100m NL/Koty Glorio:Volamena: 100m Brasse, 100m NL, 200m QN, 200m NL,Volafotsy: 100m Dos, 50m PAP
Andrianaho Marie Ange : Alimo : 200m PAP
Ramiarison Aintso : Volamena : 200m brasse,Volafotsy: 200m QN
Raveloson Mamitiana : Volafotsy : Relais 4x100m QN

Partager sur: