Morondava : Notokanana ny ZDS Tsiribihina

Notokanana ny zoma lasa teo ny tobin’ny fari-piarovana sy filaminana na Zone de défense et de sécurité (ZDS) Tsiribihina ao Morondava. Nitarika ny lanonana ny filohan’ny Repoblikan’i Mada­ga­sikara sady lehibe faratampon’ny Foloalindahy, Rajoelina Andry niaraka tamin’ny Prai­minisitra lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian, sy ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Sahivelo Del­phin, ny lehiben’ny Etama­zaoron’ireo Tafika, ny Jly Deramasinjaka Rakotoari­velo Manantsoa, niaraka tamin’ireo minisitra mpikambana eo anivon’ny governemanta. Nam­baran’ny MFA fa ho tandroka aron’ny vozona hatrany ny Foloalindahy. «Hanampy hat­rany ny Foloalindahy aho na amin’ny fametrahahana paikady mirindra na amin’ny fampitaovana ara-tafika na amin’ny fanamiana», hoy ny filoha Rajoelina. Ny hampahomby hatrany ny hetsika amin’ny fampandriana fahalemana no tanjona amin’izao fametrahana fotodrafitrasa izao. Tafiditra ao anatin’ny fanitsian-drafitra eo anivon’ny Tafika Malagasy rahateo izany. Mifanaraka amin’ny politika ankapoben’ny fanjakana sy ny vina momba ny fiarovana sy filaminana. Marihina fa faritra roa no hiadidian’ny ZDS Tsiribihina dia ny faritra Menabe sy Melaky izay eo ambany fibaikoan’ny Jly Ralaimampandry Benoit.

Jean Claude

Partager sur: