Nandresy an’I Tchad 3 no ho 1 : Mbola tsara toerana hiatrika ny Mondial ny Barea

Tsara indray ny vokatra azon’ny Barean’i Madagasikara, omaly. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 3 no ho 1 ny ekipam-pirenen’i Tchad. Manana isa 16 ny ekipa nasionaly malagasy.

Fandresena hatrany! Tao­rian’ny vokatra tsara azo tamin’i Centrafrique, nahita fahombiazana indray ny Ba­rean’i Madagasikara, omaly. No­­montsanin’izy ireo, tamin’ny isa 3 no ho 1, i Tchad. Fihaona­na izay natao tao amin’ny Ki­anjan’ny Larbi Zaouli Casa Blanca Maroc, izay tafiditra amin’ny andro fahavalon’ny fiadiana ny tapakila hiatrehana ny Mondial 2026.
Raha hiverenana kely ny fi­fanandrinana, nanindry tanteraka tamin’ny fitazomam-baolina ny Malagasy mpilalao, saingy tany anaty valim-panafihana ny tsadianina vao nahita hirika. Po­rofon’izany, ny baolina tafiditr’i Allarabaye, lohalaharan’i Tchad, ny minitra faha-25. Ni­ezaka nanenjika ny isa ihany ny Malagasy saingy tsy nampiova ny vokatra izany. Io isa 1 no ho 0 io no nentin’ny roa tonta niala sasatra, mitarika i Tchad.
Nanova paikady i Corentin Martins, mpanzatra Barea, teo amin’ny fidirana faharoa. Na­soriny i Clement Couturier, nampidiriny i Johan N’Zi. Teo amin’ny faha-52 minitra, nosahalain’i Warren Caddy, Mala­gasy mpilalao ny isa. Nampian’i Rayan Raveloson izany ny faha-68 min. Tany amin’ny mi­nitra farany, nampitombo ny isan’ny Barea, i Hakim Abdallah. Manana isa 16, ao amin’ny vondrona “I”, izany ny Barea, ary efa manakaiky ny isan’i Ghana, ny Malagasy.

Fitia Randria

Nisongadina indray i El Hadary
Mbola nahavita tolotra tsara ho an’i Rayan Raveloson indray i El Hadary. Tao anatin’ny lalao roa nataony izany, nanolotra baolina telo tsara ka nahazoan’ny Malagasy fandresena ity mpilalao ity.

Nahomby ny fanovana mpilalao
Azo lazaina fa nahomby ny fanovana mpilalao nataon’i Corentin Martins. Porofon’izany, vao nampiditra an’i Johan N’Zi sy i Hakim Abdallah izy, niakatra ho 3 no ho 1 ny isa. Marihina fa i Johan N’Zi no nanome an’ilay baolina matin’i Hakim.

Partager sur: