Nanomboka omaly, tao amin’ny Kianja Rabemananjara, ny fanazarantena voalohany ho an’ny ekipan’ny Fosa Juniors FC. Tafiditra ao anatin’ity fanazarantena ity ny famerenana aina, ny fiomanana ny taom-pilalaovana manaraka ary ny fitsapana mpilalao vaovao. Nambaran’ny Fosa JR fa misy fandaminana vaovao ny eo anivon’ny Staff teknikan’izy ireo.
Lalao anisan’ny nandrasan’ny maro, ny faran’ny herinandro teo, teo amin’ny fifaninanana N1A taranja basikety, ny fihaonana teo amin’ny COSPN sy ny GNBC. Isa 93 no ho 78 no nandavoan’ny ekipan’ny polisy ny ekipan’ny zandary tamin’ity fihaonana ity.
Maratra tsy afaka hilalao mandritra ny iray volana mahery eo ireo kalaza frantsay amin’ny baolina kitra sy mpilalaon’ny Paris Saint Germain FC, France, Ousmane Dembele sy i Desire Doue. Naratra nandritra ny fifanandrinana tamin’i Ukraine sy i France, ny zoma teo, izy mirahalahy ireo. Niantso an’i Kingsley Coman ny mpanazatra, Didier Deschamps.




