fizarana fitaovana : Mpianatra 1 000 000 mahery hisitraka

Nanolotra fitaovam-pianarana ho an’ireo ankizy ao amin’ ny EPP Ambatobe, omaly, ny Filohan’ny Repoblika Mala­gasy, Rajoelina Andry sy ny Ramatoa vadiny. Ity hetsika ity dia tafiditra amin’ny fanohanana ny mpianatra amin’ izao fidiran’ny taom-pianarana vaovao izao. Tsy izany ihany nefa, fa mpianatra marefo maherin’ny 1 tapitrisa mane­rana ny Nosy no hahazo fitaovam-pianarana avy amin’ny Fitondram-panjakana, araka ny fanazavana azo teny an-toerana, omaly.
Fampanantenana efa na­petraky ny fanjakana ny hanohana sy hanatsara ny fidiran’ ny ankizy an-tsekoly amin’ity taom-pianarana ity. Teo am­bany fitarihan-dRamatoa Ra­joelina Mialy, kosa, ankizy vavy maherin’ny 180 000 avy amin’ny faritra 16 no niditra maimaimpoana sy hahazo vatsim-pianarana eny amin’ ireo sekoly CEG miankina amin’ny minisiteran’ny Fana­beazam-pirenena.
Nambaran’ny fitondram-panjakana fa hatao laharam-pahamehana hatrany ny fanomezana fanabeazana tsara kalitao sy mendrika ho an’ny zaza malagasy rehetra, ary izay no fototry ny fampan­drosoana sy ny hoavin’ny firenena.

Fitia Randria

Partager sur: