Hazakazaka am-bisikileta: Hiatrika ny tompondaka maneran-tany i Houlder Amédé

Hanana solontena amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny taranja bisikileta i Madagasikara. Ilay Malagasy, Amédé Houlder, no hiaro ny voninahi-pirenena amin’izany.

I Amédé Houlder Mohamed no hisolo tena an’i Mada­gasikara amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny hazakazaka am-bisikileta, izay hotontosaina any Kigali, Rwanda, ny 21 hatramin’ny 28 septambra 2025. Sambany teo amin’ny tantaran’ny bisikileta malagasy no handraisana anjara amin’izao fifaninanana lehibe maneran-tany izao. Tsiahivina fa efa any an-toerana ny lehilahy ary milaza ny tenany fa vonona tanteraka, efa ao anatin’ny fanomanan-tena sahady.
Marihina fa i Houlder, efa nampiseho ny fahaizany sy ny fikatsahana avo lenta teo amin’ny sehatra matihanina, mitondra rehareha ho an’i Madagasikara amin’izao dingana vaovao izao. Efa fandresena ho an’ny firenena ny fahazoany miditra amin’ny sehatra iraisam-pirenena lehibe toy izao. Araka ny fanazavana azo taminy, lalao telo no hifanintsanana amin’izany. Nambaran’ny lehilahy fa efa faniriany hatry ny ela ny handraisan’i Madagasikara anjara amin’ny fifanintsanana goavana tahaka izao.
Anatin’izany ny Contre à la montre individuel, ny Contre à la montre par équipe, ary ny Course en ligne. Tsy mandray anjara amin’ny Contre à la montre par équipe moa ny Malagasy, noho i Houlder irery no hany mba solontenany. Nambaran’i Houlder ihany fa iantohan’ny Federasionina iraisam-pirenena UCI sy ny Afrikanina CAC, ny tenany amin’ny fiatrehana ity fifaninanana goavana ity. Ampaha­fantarina ihany fa i Amédé Houlder, nandrombaka ny medaly alimo, nandritra ny lalaon’ny Nosy 2023, izay natao teto Madagasikara farany teo.

Fitia Randria

Partager sur: