Judo-Vétérans : Tanjona ny hamiratra amin’ny “Mondial”

Tonga teto an-tanindrazana, ny alatsinainy teo, ny Malagasy delegasionina niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja Judo, sokajy Vétérans. Vokatra tsara no nentin’izy ireo niverina avy any Maorisy ary mbola maniry ny handray anjara sy haka fandresena hatrany, amin’ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany hatao any Paris, amin’ity taona ity. Tsiahivina, tsy nitsanga-menatra ny Malagasy solontena teo amin’ny sokajy Vétérans izay natao ny alakamisy lasa teo. Malagasy mpikatroka 5 no nahazo medaly volamena ary voahosotra ho tompondakan’i Afrika. Anisan’izany Andriambelo Noelson, teo amin’ny sokajy Men M3 -66kg, Ralijaona Floriano (Men M4 – 60kg), Ramahefarison Patrice (Men M6 -81kg), Rasolondraibe Mamy Dongoza (Men M7 -66kg) ary Naina Vestalys (Men M6 – 60kg). Ankoatra izay, nandrombaka ny medaly volafotsy ihany koa Ramahefarison Julie (Women M4 -70kg), Rabarison Giovanni (Men M3 -66kg) ary Randriamifidy Odon (Men M4 -90kg). Tsara ny vokatra ho an’ny Malagasy delegasionina. Tsara koa ny manamarika fa nianto-tena tanteraka izy ireo, araka ny nambaran’ny mpikambana eo anivon’ny Kaomisiona malagasy Vétérans, Naina Vestalys, ary niantsoany ny malala-tanana sy ny fanjakana hanohana azy ireo.

Mi.Raz

Partager sur: