Rugby – Federal 2 : Hifandona ny Rosa Club sy ny US Ikopa

Hanomboka amin’ny alahady 14 septambra ho avy izao, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny andro voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eo amin’ny “Federal 2”, taranja rugby. Fihaonana karakarain’ny Malagasy Rugby. Lalao telo avy hatrany no voalahatra amin’izany ka adin’ny samy kartie avokoa ireo fihaonana. Anisan’ny dona andrasan’ny rehetra ny an’ny Rosa Club de l’Imerina, Antohomadinika, sy ny US Ikopa. Efa ela no tsy nihaona ny roa tonta ka hangotraka ny fifanandrinana. Samy manana mpilalao tanora ny andaniny sy ny ankilany ka ho resy izay ratsy fiomanana. Hiendrika famaranana tokoa ny azy ireo satria samy sangany ary manana ny tanjaka sy fahaiza-manao.
Ankoatra izay, mbola fihao­nana hanamarika ity andro voalohany ity ihany koa ny fikatrohan’ny FTBA sy ny SCB Besarety. Fileovana misy hoentina ary hitoeran’ireo mpi­lalao teknisianina. Mifan­danja tokoa raha ny herijikan’ny roa tonta no jerena. Fa hafanavay koa ny lalaon’ny RCSA Ano­sibe sy ny Afa Ankazomanga. Ry zareo Ano­sibe, matanjaka ao anaty “avant”, no hifanandrina amin’ny ekipa tompon’ny hafainganam-pandeha amin’ny alalan’ny “trois quart”. Hitorajofo tanterara, araka izany, ny kianja hilalaovan’izy roa tonta. Hanokatra ny andro voalohany amin’ity “Top 20” ity ny “inter-section”, hifampitanan’ny RCL sy ny USM.

Tompondaka

Partager sur: