SOMBIM-BAOVAO

Tanterahina any Alzeria, nanomboka omaly, haharitra hatramin’ny 10 septambra izao, ny “Forum Mini-basket” eto Afrika. Fiofanana natokana ho an’ny tontolon’ny basikety ho an’ny Ankizy, hivondronan’ireo mpisehatra amin’ity taranja ity. Manana Kaomisionina mahakasika izany i Madagasikara, ary manana solontena miatrika izany koa any an-toerana.

Hotanterahina ny 12 oktobra izao, ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fifaninanana “Madagascar international BJJ Open”, taranja Jiu-jitsu. Fifaninanana goavana eto an-toerana ho an’ity taranja ity ary anisan’ny fanomanana ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany izay hatao any Abu Dhabi izany, ny volana novambra izao.

Hotontosaina ny 20 hatramin’ny 27 septambra izao ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja volley-ball, ho an’ny sokajy “1ère division”, lahy sy vavy. Kianja roa no handray ny fifaninanana amin’ity, dia ny Lapan ‘ny fanatanjahantena Mahamasina sy ny Kianja mitafo Ankoay Ankorondrano. Fifaninanana mamaramparana ny taom-pilalaovana 2025 ho an’ny FMVB ity hatao ity.

Partager sur: