Soradihy : Hizara ny «Kanyar » eto i Didier Boutiana

Fifanakalozana eo amin’ireo mpamorona sy mpandihy ny fandaharanasa « Pulse ». Tafiditra ao anatin’izay ny fandalovan’i Didier Boutiana eto, hanolotra ny soradihy « Kanyar », ny sabotsy 13 septembra izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, etsy amin’ny IFM Analakely. Ao anatin’ny hiran’i Labelle sy Maya Kamaty no hizaran’i Didier Boutiana ny hafatra voizin’ny « Kanuar ».
Teratany renioney mpamorona soradihy i Didier Boutiana. Mitarika ny Compagnie Soul City ihany koa, saingy dihy ho an’olon-tokana no hasehony amin’io. Mialoha izay, hizara ny traikefany ity mpanakanto ity, rahampitso 11 septambra, ao amin’ny IFM Analakely ihany. Manodidina ny hip-hop, sy ny karazan-dihy ankehitriny no hovelabelariny mandritra izany. Fizarana traikefa izay ampirisihana anatin’ny fandaharanasa « Pulse », hanehoana fa zavakanto afaka iraisana ny soradihy.

Zo ny Aina

Partager sur: