Raha misy sehatra iray manana ny maha izy azy sy misongadina amin’izao fotoana izao dia ny tontolon’ny fanatanjahantena sy ny resaka diplaomasia. Tsy iadian-kevitra ireo eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Tena misongadina tokoa ilay firenena, manoloana ny mpifanandrina. Tsy amin’ny sehatra kaontinantaly ihany fa manerana an’izao tontolo izao. Tsy mena-mitaha no hamehezana azy.
Tsara sy maha te-hidera izany, fa misy fisintomana lakolosy kely tsy maintsy hatao ihany. Tsy tokony handeha ila ny fampandrosoana sy ny fanandratana ny voninahi-pirenena. Sanatrian’ny vava ho mpiondana ambony tsikoko isika mianakavy. Tsy ho madio ivelany toy ny fasana akory. Mila miezaka daholo ny olom-pirenena ato anatiny. Manomboka amin’ny madinika indrindra izany.
Tsy hiandrasana olo-maventy foana ny zavatra tokony ho vita. Ny fanadiovana tanàna, ohatra. Hamafa lalana na hanadio lakandrano tsy ataon’ny mponina. Miandry kaominina vao handray kifafa kanefa isika mianakavv no mpanipinipy tavimandry eny rehetra eny. Maharikoriko mihitsy ny mivezivivezy amin’ny alina noho ny fofon-diky, atsipin’ny olona eny am-povoan’ny arabe.
Mora ny manome tsiny sy manilika andraikitra amin’ny mpitondra. Tsy misy fampandrosoana ho vita mora izany anefa raha tsy miara-mientana. Mila mifandanja ny finiavana ivelatra amin’izao tontolo izao sy ny ezaka anatiny. Tsy misy zava-banona mandeha ila izany. Tsy maintsy harindra ny fisikinam-ponitra sy ny fanotonana angovo.
Firenena nalaza tamin’ny firaisankina i Madagasikara. Ilay tongotra miara-mamindra sy ny soroka miara-milanja dia misy akony lehibe amin’ny politika sy ny fampandrosoana. Tsy misy mamantam-bonona fa miara-misehatra. Mitondra ny anjara birikiny tsikelikely, mila mifanome tanana na iza na iza.
r.r




