Hanainga amin’ny herinandro ho avy io ny AS Fanalamanga, hiatrika ny lalao savaranonando mandroso, hiadiana ny amboaran’ny Caf, taranja baolina kitra. Fihaonana hikatrohany amin’ny Ferroviaro Mozambique. Nambaran-dRabevahiny Arlem, tale jeneralin’ny orinasa Fanalamanga tamin’ny mpanao gazety, tetsy Antaninarenina, omaly, fa mpilalao 25 no hoentin’ny ekipany miatrika izany. Any Mozambika avokoa no hotanterahina ny fihaonana mandroso sy miverina noho ny tsy fahazoan’ny Kianja Barea ny fankatoavana. Ankoatra izay, tsy maintsy hiato ao Dar-Es Salam ny delegasionina, noho ny tsy fisian’ny sidina mivantana miala eto Madagasikara mihazo an’i Mozambika. Vonona tanteraka ny ekipa hiatrika ity fifaninanana afrikanina ity. Ankoatra izay, misy mpilalao 4 hanatevina ny AS Fanalamanga. Tsy mbola nolazain’ny mpitantana ny anarany. Mangataka tolo-tanana sy fanohanana avy amin’ireo klioba ao amin’ny CFEM sy ireo mpankafy ny ekipa satria voninahitry ny firenena no arovana fa tsy ny an’ny ligin’Alaotra Mangoro intsony. Nitsodrano ny AS Fanalamanga, i Gerard Rajaonarison, filoha lefitry ny CFEM, hahaleo hahalasana amin’ny lalao hataony, ka ho tonga amin’ny avo indrindra. Notsiahivina tamin’ny fihaonana ny tantara nolalovan’ny AS Fanalamanga, nanomboka tany amin’ny taona 1983 ka hatramin’izao.
Tompondaka




