Filoha Rajoelina Andry : “Mila mifanampy sy mifanohana isika Malagasy”

Mby aiza ny fampandrosoana? Rehefa mifanohana ny Malagasy, tsisy zavatra sarotra tsy ho tanteraka, araka ny nambaran’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Mila mifanampy isika Malagasy…

“Mila mifanampy sy mi­fanohana isika. Re­hefa mifanohana ny Malagasy, tsisy zavatra sarotra tsy ho tanteratsika. Rehefa mi­ray fo sy saina isika, tsy mihaino an’izay manakotaba ary tsy manaiky hakivian’izay manakivy: miroso hatrany isika.” Io ny nambaran’ny filohan’ny Re­poblika, Rajoelina Andry, tamin’ny fitokanana ny EPP manara-penitra, Iavoloha, omaly. Tao amin’ny fiangonana zandriny iray no nianatra ny mpianatra tamin’ny nandravana ny EPP naorina tamin’ny 1956. Ny sekoly natsangana manerana an’i Madagasikara, 200 000 ny isan’ny efitrano fianarana ahazoana mandray mpianatra. Lehibe izany fanamby izany. Tsy eto Madagasikara ihany izany, fa amin’ny kaontinanta afrikanina. “Manana vina isika ary tena miasa. Tsy manaiky hakivian’ny hafa. Izay tsy ma­havita ihany no miteny hoe tsy ho vitanareo io”, hoy izy… Izay mahavita no manohy. Na inona na inona sa­kana sy fanaratsiana, tsy main­tsy miroso…
Rehefa hoe fanasoavana vahoaka sy ny zaza malagasy: tsy misy na iza na na iza hahasakana ny fitiavany ny vahoaka sy ny fananganana fotodrafitrasa ho an’ny vahoaka. Tany aloha, ratsy ny hoe sekolim-panjakana. Aleon’ny olona mampianatra ny zanany any amin’ny sekoly tsy miankina. Ankehitriny, ny sekolim-panjakana no tsara lavitra sy manana fitaovana no ho ny sekoly tsy miankina. Betsaka aza ny ray aman-dreny misisika hoe mba te hianatra amin’izay sekoly manara-penitra izay ny zanany. Misy ny fampandrosoana hita maso, misy ny fampandrosoana misy fiantraikany mivantana ho an’ny vahoaka. Raha ny fampianarana, anisan’ny manao dingana goavana i Madagasikara amin’ny ezaka atao.
Nisy koa ny fametrahana ny vato fototra fanorenana ny “gradin” sy ny “tribune” mahazaka mpijery 500 ao amin’ny kianjan’ny CFFA Andoharanofotsy.

R. Nd.

Partager sur: