Miezaka manatsara sy mampivoatra ny fanatanjahantena eto Madagasikara ny fanjakana. Manaporofo izany ny firosoana amin’ny fananganana fotodrafitrasa, toy ny « tribunes » etsy amin’ny Kianja CFFA Andoharanofotsy.
Ho fanatsarana ny tontolon’ny baolina kitra eto Madagasikara, nohatsaraina ny kianjan’ny CFFA etsy Andoharanofotsy. Napetraky ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, teny Iavoloha, omaly, ny vato fototra hanamarinana ny fananganana izany. Araka ny fanazavana azo avy amin’ny tomponandraikitra, mahazaka mpijery 500 isa eo ny «Tribunes» sy «gradin» hatsangana.
Nohamafisin’ny Filoham-pirenena hatrany fa zava-dehibe ho an’ny baolina kitra ny fananganana fotodrafitrasa tahaka izao. Araka ny filazany, mariky ny fandrosoan’ny firenena ny fivoaran’ny baolina kitra ao aminy. Notsiahiviny hatrany fa vao nitantana an’i Madagasikara izy, ny taona 2019, nahatratra ny ampahefa-dalan’ny Can ny Barea, ary ny 2023, nahazo ny medaly alimo ny Chan. Ankehitriny, nandrombaka ny medaly volafotsy ny Chan farany teo.
«Ny fanaovana izao kianja izao no ahafahana namoaka ireo mpilalao mamiratra amin’ny Barea.» hoy ny filoha Rajoelina Andry. Nankasitraka sy nisaotra manokana ny Filoham-pirenena ny ben’ ny Tanànan’Andoharanofotsy, Rakotoarimanana Henintsoa na i Tôta. «Efa zava-dehibe ho an’ny kaominina ny fananganana fotodrafitrasa tahaka izao. Ary afapo tanteraka tamin’ny zavatra nataonao andriamatoa Filoha, ny olona maro», hoy ny Maire Tôta.
Tsara ny mampahafantatra fa mety haharitra fito na valo volana eo ny asa fanamboarana ny kianja eny an-toerana. Tonga nanatrika ity lanonana ity teny an-kianja moa ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Marson Moustapha Abdulah, sy ireo olom-boafidy sasany eny Atsimondrano.
Fitia Randria




