Hetsiky ny taona 2026: Manohana hatrany ny mpanakanto ny Madagascar Mozarteum

Fikambanana manome lanja sy sehatra lehibe ho an’ny mozika klasika sy ny tontolony ny Madagascar Mozarteum. Mametraka lamina ho an’ny taona 2026 ny mpikarakara. Manao antso ho an’ny tarika sy ny mpanakanto.

Ho fampivelarana ny talentan’ny mpanakanto sady tafiditra rahateo ao anatin’ny ezaka ataon’ny Madagascar Mozarteum, ho fiatrehina ny hetsiky ny taona 2026, miantso ireo manan-talenta sy mpanakanto ity fikambanana ity hanolotra izay heveriny fa seho hotanterahina amin’io taona ho avy io.
Ao anatin’ny taom-piseharana 2026, mila manomana sy manatanteraka seho roa ny mpanakanto na ny tarika iray, rehefa mahazo ny fankatoavan’ny mpiara-miasa. Mila mandefa ny «partitions» telo volana mialoha ny famerenana lehibe izay atrehin’ny komity mpikarakara izy ireo. Ho an’ny tarika na mpanakanto tsy mbola nandray anjara tamin’ny hetsika nokarakarain’ny Madagascar Mozarteum, hisy ny fihainoana mialoha ny sanganasa hotendren’izy ireo.
Tao anatin’ny 15 taona niorenany, tsy nitsahatra nanome lanja ny mozika klasika sy ireo mpiangaly izany
ny Madagascar Mozarteum. Manome sehatra ho an’ny mpanakanto hatrany izy ireo. Miezaka mampahafantatra ny talentan’izy ireo koa. Mam­pivelatra ny fahafantarana sy ny fampitiavana ny mozika klasika ho an’ny Malagasy.
Amin’ny alalan’ny fandaharam-potoana telo lehibe no hanatanterahiny izany, raha ho an’ny eto Antananarivo.
Ao ny «Concert classique de Midi», sy ny «Dimanches Classiques» ary ny «Soirées Classiques».
Anisan’ny ao anatin’ny fandaharam-potoana ho an’ny taona 2026 ilay fifaninanana lehibe hahazoana loka miavaka «Concours national de piano», hotanterahina ny 8 avrily ka hatramin’ny 10 avrily. Hizara sokajy roa ny mpifaninana: ny latsaky ny 16 taona sy ny latsaky ny 30 taona.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: