anjara amin’ny fifidianana loholona ireo ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina, hoy ny tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ny KMF/ Cnoe, i Haja Nirina, manoloana ny fanatanterahana ny fifidianana loholona amin’ny 11 desambra ho avy izao. Amin’ny maha mpifidy vaventy azy, solontenan’ny olom-pirenena eny amun’ny faritra izy ireo. Nefa raha tsy handray anjara amin’ny fifidianana, noho ny tsy famerenana ny fifidianana kaominaly, very zo na ny mpifidy vaventy na ny olom-pirenena eny ifotony.
Araka ny lalàna, ao anatin’ ny maintany ny vanim-potoan’ ny fifidianana: 31 mey hatramin’ny 30 novambra. Nefa alohan’ny fahataperan’ny fe-potoam-piasan’ny Antenimierandoholona ny fifidianana loholona. Tsy miteraka olona izany, fa mpifidy vaventy no handray anjara amin’io fifidianana io.
R. Nd.




