Nifarana ny talata lasa teo, tao La Talaudière France, ny Masters 2025, taranja tsipy kanetibe. Tsy azon’ny Malagasy izany fifaninanana izany, na noheverina ho “favori”, tamin’ireo mpifaninana aza i Madagasikara. Resin’ny ekipan’i Bonetto, teo amin’ny famaranana tamin’ny isa mazava, 13 no ho 4, i Yves sy i Balôty ary i Tinakely niampy an’i Zigle. Tsy nampoizin’ny rehetra ny vokatra satria ekipa efa nomontsanin-dry zalahy tamin’ny isa 13 no ho 0 tany amin’ny dingana fifanintsanana ry Bonetto. Nisy ny fahadisoana taktika tao anatin’ny lalao ka nahazoan’ny mpifanandrina isa betsaka. Tsy tafiditra tao anaty fifaninanana ihany koa i Yves sy i Tina ka i Balôty hatrany no nanavotra ny ekipa. Indroa ny Malagasy no tokony hahazo isa 4 sy 3 saingy tsy voan’i Tiana ny kanety notifiriny. Tsy nanova inoninona ny fidiran’i Zigle nanolo an’i Yves. Tapitra tamin’iny ihany koa ny dian’ny delegasionina malagasy any Frantsa. Dingana manaraka ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany any Italie ho an’olo-tokana sy olon-droa miaraka, ny 18 – 21 septambra ho avy izao.
Tompondaka




