Nahoraka tamin’ny tambajotran-tserasera ny fikomiana nataon’ny mponina ao Nepal, omaly. Nodoran’ny olona velona ny vadin’ny praiminisitra. Nifanenjehana manerana ny tanàna ny minisitry ny Fitantanam-bola. Nopotipotehin’ny olona ny lapam-panjakana sy ny toerana noheverina ho fanangonana ny haremben’ny mpitondra. Niaiky ny faharomotan’ny olona ireo mpanara-baovao.
Mampihorin-koditra tokoa, tena hoe miverina aotra mihitsy ny fandrefesana ny maridrefin’ny fandrosoana ao an-toerana. Firenena anisan’ny nanana ny maha izy azy izany Nepal izany. Tsy hoe tonga lafatra be akory, fa tsy mena-mitaha amin’ny mpifanolobodirindrina aminy. Mbola afaka niaina sy nivelona araka ny tokony ho izy ny mponina, saingy nisafidy ny nitroatra. Nandroba ifotony.
Toe-javamisy tokony hampisaina ny Malagasy ireny. Tsy hoe ho mpanara-drenirano akory. Handrava efa sy ny ezaka azo tsapain-tanana ankehitriny. Tsy fakan-tahaka ireny, no tsy fianatsa velively. Fandrorana mitsilany ankitsirano. Ekena ny fahasahiranana, kanefa tsy natao ho antony hoe entina mifamotika sy mifamono izany. Tsy mijanona velively eo amin’ny fikomiana izany fa miitatra.
Manomboka miady an-trano ny mponina. Mahazo vahana tsikelikely ny adim-poko. Tsy mahita olona hapetraka hitondra ny vahoaka hatreto. Samy mitondra ny lohany, no manao fanjakan’i Baroa. Samy tompom-pahefana avokoa ny sarambaben’ny olona. Tompon’ny hery, tompon’ny fanalahidin’ireo andrimpanjakana daholo izay afaka mampiseho ny tanjany. Mikomy aloha dia ampy!
Ny fianakaviambe iraisam-pirenena efa miandry “tataka” fotsiny, hijapiana izay olona azo lalaovina. Iaraha-mahalala rahateo fa hikoha-maina aza hatao ny an’ny vahiny, mpanjanaka maoderina. Hafa ihany ny zanatany, avy amin’ny vahoaka, hiasa ho an’ny vahoaka. Hatramin’ny halina, mbola samy miandry izay niafaran’ny mpitondra rehetra ny mpanara-baovao. Tranga natao hitandremana!
r.r




