Basikety : Mpitsara 21 eto Afrika manaraka fiofanana

Mandray ny fampiofanana ho an’ny mpitsara eto Afrika, karakarain’ny Fiba Afrika, i Madagasikara. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina izany, haharitra 4 andro. Mpitsara 21 mianadahy avy amin’ny firenena 12 (Madagascar, Algérie, Botswana, Cameroun, Égypte, Éthiopie, Gabon, Kenya, République centrafricaine, Rwanda, Tanzanie, Angola) no manaraka izany ary Malagasy ny 4 amin’izy ireo. Manam-pahaizana Kenyanina, i Gode Vitalis Odhiambo, sy Maraokanina, i Abaakil Samir, no mampiofana. Anisan’ny manana anjara toerana lehibe ny mpitsara lalao ary mivoatra hatrany ny fitsipika eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ka mila maharaka izany ny mpitsara eto Afrika. Hizara roa ny fampiofanana, hisy ny an-tsoratra fa eo koa ny fampiharana, araka ny nambaran’ny filohan’ny CCA (Commission centrale des arbitres), Rabemananoro Andry.

Mi.Raz

Partager sur: