Somary nafana indray taorian’ny fiadiana ny tompondakan’ny seksionina Antananarivo Renivohitra, taranja karate, ny resaka mahakasika ilay atleta voalaza fa voasazy.
Fantatra fa nandray anjara tamin’io fifaninanana io, ny faran’ny herinandro teo, Raveloson Mami-Mick, ilay atleta misedra olana ary voahosotra ho tompondaka teo amin’ny kata individuel. Nisy, araka izany, ny fanazavana avy amin’ny andaniny sy ny ankilany mahakasika ity tranga ity. Nambaran’ny Federasionin’ny karate-do malagasy, Ratefinanahary Émile, fa noho ny fihetsika tsy mendrika tamin’ny lalaon’ny Nosy 2023 no nahatonga ny fanasaziana. Atleta 4 izy ireo no niharan’izany. I Mami-Mick irery anefa no tsy nanaiky nanaraka ny fandaminana ka nahatonga azy mbola ho voasazy hatramin’izao. Nisy ny fampiantsoana nataon’ny FKM, ny klioban’ny Aska izay nipoiran’i Mami sy ny seksionina Antananarivo Renivohitra, omaly, ka nivoitra tao anatin’izay, fa nanaiky ny hifandamina sy hanome hasina ny taranja karate ny roa tonta.
Maniry ny hiverina hifaninana i Mami-Mick
Tetsy ankilany, nitondra fanazavana ihany koa Raveloson Mami-Mick manoloana izao olana izao. Nambarany fa efa ao anaty rany ny taranja karate. Nanomboka ny faha-6 taonany i Mami no niangaly ny taranja karate, tao amin’ny Tiger’s Andohalo. Noho nyh olana nisy teo amin’ity klioba ity dia nifindra tao amin’ny klioban’ny Aska izy ary mbola ao hatramin’izao. Efa tompondakan’i Madagasikara, tompondaka tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena, ny taona 2014, nitondra avo ny voninahi-pirenena teo amin’ny sehatra afrikanina i Mami. Anisan’ny sangany eo amin’ny kata individuel ary efa laharana fahatelo tamin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika “équipe”, tamin’ny taona 2028, ny tenany. Laharana voalohany ihany koa izy tamin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika faritra Atsinanana. Mbola maro ny vokatra tsara azon’ity atleta ity teo amin’ny taranja karate. Ankehitriny, vonona ny hiverina hifaninana taorian’ny fiatoana nandritra ny 2 taona noho ny sazy azony izay. Nomarihiny tsara fa tsy mbola nahavoaray io taratasy fanasaziana io izy hatramin’ny androany. Efa nisy ihany koa ny taratasy fialan-tsiny nataony fa tsy nojeren’ny FKM, raha ny nambarany. “Maniry ny hiatrika amin’ny fifaninanana nasionaly indray aho”, hoy i Mami. Nambarany ihany koa fa efa nilaza ampahibemaso ny filohan’ny FKM fa tsy misy voasazy intsony ny atleta malagasy, ny volana novambra 2024. Tompondakan’ny seksionina Antananarivo Renivohitra teo amin’ny kata individuel moa i Mami ary efa nankatoavin’ny MJS ny fahafahany miatrika ny fiadiana ny tompondakan’Analamanga amin’ny sabotsy izao.
Mi.Raz




