FANTINA sy FINTINA

Nandray ny ambasadaoron’ny Federasio­nina rosiana eto Madagasikara, i Andrey Andreev, teny amin’ny Raharaham-bahiny, Anosy, omaly, ny minisitra Rasata Rafaravavitafika. Voaresaka ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta. Voaasa amin’ny fihaonambe faharoan’ny minisitra Rosia-Afrika, any Le Caire, Ejipta, ny 18-19 novambra 2025, i Mada­gasikara.
Natao tany Beyrouth, Liban, ny fivoriambe voalohan’ny Filankevitry ny parlemanta Afro-Asiatika, ny 8-9 septambra teo. Anisan’ny mandray anjara amin’izany ny parlemanta malagasy, ahitana ny loholona Tsiebo Mahaleo, ny depiote isany Fienena Richard sy Sylvie Liva Gervais. Voaresaka ny antony nanangana sy ny tanjon’ny Filankevitra, ny satany…
Ao anatin’ny Irmar ny vovonana Isika fikambanana miara-dia amin’i Andry Rajoelina (Ifi), araka ny nambaran’ny sekretera jeneraliny, ny pasitera Razafindramanitra Nestor. Tsy miala amin’ny fitsipiky ny Irmar. Izay tapaky ny tomponandraikitra anivon’ny Irmar amin’izay ho kandidà amin’ny fifidianana loholona, manohana tsy amim-pihambambana izany ny Ifi.

Partager sur: