Fifidianana ben’ny Tanàna tany Betroka: Nandresy teny amin’ny Filankevi-panjakana ny GJMP

Nandresy teny amin’ny Filankevi-panjakana ary efa nahazo taratasy manamarina izany ny GJMP, araka ny fanazavan’ny depiote Randrianasolo Jean-Nicolas momba ny fifidianana ben’ny Tanàna tao amin’ny kaominina Mahazoarivo, distrikan’i Betroka.

«Nivaly ny Filankevi-panjakana fa mandresy izahay, ary efa nahazo taratasy ny amin’izany ny GJMP tamin’ny 5 septambra.” Io ny nambaran’ny depiote voafidy tamin’ny anaran’ny Groupe des jeunes Malagasy patriotes (GJMP), tany Betroka, Randrianasolo Jean-Nicolas, tamin’ny mpanao gazety teny Tsimbazaza, omaly, ny amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna tao amin’ny kaominina Mahazoarivo, distrikan’i Betroka, Faritra Anosy, nampifanolana ny GJMP tarihiny sy ny Irmar any an-toerana. Na izany aza, mbola misy ihany ny tsy maty voalavo an-kibo: manosi-bohontanana ary manao zavatra tsy tokony hatao amin’ny fanaovana Ramatahora. Tsy manakana ny tian-dry zareo hatao ny GJMP, fa efa misy didy navoakan’ny Filankevi-panjakana izay manaporofo fa resy ry zareo.
“Izay ny olana eto amin’ny firenena: ny olona mpomba anao sy mpiara-dia aminao koa no atao an’izay… Lasa mampiteny ny moana”, hoy izy. Samy manao politika, nefa ny olona miezaka mankany aminao sy manohana 100%, tsy mety raha anaovana an’izay. Voaporofo fa nanao fampiasana taratasy hosoka ny kandidà Irmar tao Betroka.
Alohan’ny hanomezan-tsiny azy, manao antso avo izy ny mba hidinana ifotony mba hanontaniana ny fitondran-tenan’ny olona tohanan’ny vondrona sy ny fitondran’izy depiote. Fa hanimba ny endriky ny vondrona any ifotony io olona tohanana io.
Amin’ny fifidianana loholona, tsy misy mpanohitra ao Betroka. Noho izany, moramora ny hahazoana vato. Satria be dia be ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna miara-dia aminy, araka ny nambarany.

R. Nd.

Partager sur: