Safidy : “Tsy azo ihodivirana ny fifidianana loholona”

“Momba ny vokatra azo amin’ny rafitra: voalazan’ny lalàmpanorenana ny Anteni­mierandoholona, tsy maintsy apetraka mba ho feno ny rafitra mpanao lalàna na ny parlemanta.” Io ny fanazavan’ny mpitondra tenin’ny firaisamonina sivily Safidy, Razana­mahefa Désirée Marie Stella, teny Ambatonakanga, omaly, momba ny fiatrehana fifidianana loholona. Noho izany, rafitra na andrimpanjakana tsy azo ihodivirana ny Anteni­mierandoholona, araka ny lalàmpanorenana. Tsy maintsy lalàna no manafoana izany, fa tsy tenenina fotsiny hoe tokony hofoanana, ohatra. Anjaran’ny tena no miady amin’ny mpanao lalàna raha tokony hofoanana na tsia ny Antenimierandoholona.
Fifidianana tsy mivantana ny fifidianana loholona. Tsy ny olom-pirenena mivantana no miatrika ny fifidianana, toy ny fifidianana filohan’ny Re­pob­lika na depiote, fa ireo solontena efa nofidin’ny olom-pirenena. Raha ny lalàmpanorenana, ny filohan’ny Faritany sy ny mpanolotsain’ny Faritany miampy ny filohan’ny Faritra sy ny mpanolotsain’ny Faritra ary ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna iza­ny. Dimy taona ny fe-potoam-piasan’ny loholona. Tapitra amin’ny volana janoary ny fe-potoana ara-dalàna ahazoan’ireo loholona miasa. Izay no maha zava-dehibe ny fanatanterahana ny fifidianana amin’ny 11 desambra.
Raha ny momba ireo mpifidy vaventy amin’izay fifidianana loholona izay, toy ny tamin’ny taoan 2019 ihany no miverina amin’izao. Ampaha­ny amin’ireo mpifidy vaventy ihany no afa-kifidy. Ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna izany. Mbola misy kaominina maromaro tokony haverina ny fifidianana ben’ny Tanàna, nefa tsy mbola misy izay.

R. Nd.

Partager sur: