SOMBIM-BAOVAO

Hiditra amin’ny dingana ampahefa-dalana, anio, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fifaninanana nasionaly N1A, lahy sy vavy, taranja basikety. Hanokatra ny lalao, anio, ny eo amin’ny sokajy vehivavy, izay hifanandrinan’ny GNBC Analamanga sy ny Varsity Anosy ary ny MB2ALL Analamanga sy ny Dunamis Analamanga, amin’ny 9 ora maraina.

Hotanterahina ny volana novambra izao ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja échecs, eo amin’ny sokajy Jeunes. Tsy diso anjara amin’izany i Madagasikara. Hanana solontena 2 , ahitana an-dRazafindrano Raphaël, sokajy latsaky ny 10 taona, sy Ramorasata Diary, sokajy latsaky ny 12 taona, izay samy tompondakan’i Madagasikara.

Ny Nosy Maorisy sy La Réunion no efa nanamafy ny fandraisany anjara amin’ny fifaninanana “Madagascar International BJJ Open 2025”, taranja Jiu-jitsu breziliana, hatreto. Fifaninanana hotontosaina ny 12 oktobra izao, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Fifaninanana voalohany eo amin’ny taranja JJB izay tafiditra ao anatin’ny Smootcomp (plateforme ho an’ny taranja haiady) izy ity.

Partager sur: