TARATRY ny KANTO

Eletrauma, eny amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo. Anarana tarika toa vaovao, kanefa efa fantapantatra ihany ireo mpikambana, izay efa mpiaraka hatry ny ela: Kevin Mirija (saxophone), Finoana (ampongamaroanaka), Miranto (gitara) ary i Vazo (gitara beso). Hiaka-tsehatra, anio manomboka amin’ny 8 ora alina, izy ireo, hizara mozika maroloko. Miainga amin’ny jazz, mandalo ny funk, rock, electro, sns, izany. Toy ny mahazatra, hitohy any amin’ny Le Garage Antsahavola ny fiarahana, aorian’izay.

Hisokatra ho an’ny slam sy ny tontolony ny CGM/GZ, rahampitso. Hisy atrikasa ny maraina, manomboka amin’ny 10 ora. Natao ho an’ireo rehetra te hiditra bebe kokoa amin’ny slam izany, na vao manomboka na efa nilomano ela. Maromaro ireo hozarain’ny voky traikefa, manomboka any amin’ny famoahana aingam-panahy amin’ny fanoratana, hatrany amin’ny fiantsana. Ny hariva ihany dia efa hampihatra izay norantovina ny maraina ireo mpiofana, ka hisokatra ho azy ireo ny sehatry ny CGM.

Hanomboka ny 20 septambra ho avy izao ilay fifaninanana iraisam-pirenena “Intervision 2025”, izay hatao any Moscou, Russie. Hiatrika izany i Denise sy i D-Lain, samy fanta-daza amin’ny fananana feo miavaka. Samy efa nandrombaka fifaninanan-kira iraisam-pirenena ihany koa izy mianadahy ireto, ary izao manohy ny lalany izao. Manantena ny fanohanan’ny Malagasy tsivakivolo, manerana izao tontolo izao, rehefa misokatra ny fifidianana izy ireo. Fantatra fa anisan’ireo mpitsara solontenan’i Madagasikara i Mamy Gotso.

Partager sur: