Nampahafantarin’ny Federation sport boule malagasy (FSBM), omaly, tany Frantsa, ny anaran’ireo mpilalao tsipy kanetibe hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany 2025. Fihaonana hotanterahina any Rome, Italie, ny 18 ka hatramin’ny 21 septambra ho avy izao. Lalao ho an’olon-droa, lahy sy vavy, ary lahy sy vavy miaraka. Ho an’olon-tokana lahy sy vavy no hiadiana lohany amin’izany.
Ho an’ny lehilahy, hiatrika ny lalao ho an’olon-tokana i Balôty ary hiaraka aminy eo amin’ny olon-droa i Lova. Eo amin’ny vehivavy indray i Tita no hiady ho an’olon-tokana ary izy sy i Fana eo amin’ny olon-droa. Hiatrika ny lalaon’olon-droa lahy sy vavy miaraka i Lova sy i Fana.
Marihina fa notsongaina tamin’ireo mpilalao niatrika ny “tournoi estival” sy ny “Masters”, natrehina tany Frantsa, nandritry ny 3 volana, izy ireo. Notsiahivin’ny tomponandraikitry ny federasionina fa masontsivana maro no nanaovana ny fifantenana. Anisan’ ireny ny tomban’ezaka nandritra ireo fifaninanana natao. Teo ny fanazarantena, ny vokatra azon’ny tsirairay ary ny fitondran-tena. Notarafina tamin’izy ireo koa ny fahavononana sy ny toe-batan’ny rehetra ary ny goavana indrindra tamin’izany dia ny tanjaka ara-tsaina, izay nampiavaka ireto mpilalao voatsonga ireto. Mpanazatra ny ekipa vehivavy i Cicine raha i Nanou kosa ny an’ny lehilahy.
Tompondaka




