Hetsika lehibe ho an’ny horonantsary fanadihadiana ny “Ant’sary Doc Mada”. Nivoaka ny lisitr’ireo vokatra hifaninana, ka hisy sokajy maromaro hisafidianana amin’izany.
Horonantsary lava, horonantsary fohy, “expérience digitale”, “best picture”, “best sound”, “prix du public”, “prix d’encouragement”. Ireo ny fankasitrahana homanin’ny mpikarakara ny hetsika “Ant’sary Doc Mada”. Haka endrika fifaninanana horonantsary fanadihadiana izany, izay hotontosaina eto Antananarivo, ny 25 septambra hatramin’ny 3 oktobra ho avy izao. Efa andiany fahatelo ny hetsika, izay manome lanja ireo horonantsary fanadihadiana eto Madagasikara sy ireo nosy rahavavy ary ireo firenena afrikanina sasantsasany.
Ny fipakan’ny lohahevitra nosafidian’ny mpanatontosa no tena masontsivana lehibe indrindra hitsarana ireo horonantsary, raha ny nambaran’ny fikambanana Asa Sary, izay mpikarakara ny hetsika. Mila lohahevitra mafonja sy fantatra maneran-tany izany. Eo koa anefa ny talentan’ny mpanatontosa mamoaka hevitra, ny fahaizany fanadihadiana ary farany ny lafiny teknika amin’ny feo sy sary.
Horonantsary notontosaina taorian’ny 1 janoary 2020 ireo hifaninana, anatin’ny sokajy telo: horonantsary lava, horonantsary fohy ary ny “expérience digitale”. Nahatratra 13 ireo horonantsary fohy hifaninana, ka anisan’izany ny “Little Garden”, sanganasan-dRamaniraka Rajaonary Manantsoa, izay hany vokatra malagasy anatin’ity sokajy ity. 9 kosa ireo horonantsary lava handray anjara, raha toa ka roa monja ny anaty “sokajy expérience digitale”, izay samy vokatra malagasy avokoa. Ho vory eto Antananarivo, mandritra ny hetsika, ireo mpanatontosa rehetra.
Zo ny Aina




