Fanendrena loholona : Mangataka toerana iray ny Synad

“Tena manana adidy ma­vesatra ny administratera sivily amin’ny alalan’ireo solontem-panjakana eny ifotony, ny prefet de Police sy ny lehi­ben’ny distrika.” Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny sendi­kan’ny administratera sivily (Synad), Rakotondra­manana Solofotahina Lalaina, manoloana ny fiatrehana ny fifidianana loholona amin’ny 11 desambra. Ry zareo no filohan’ny Organisme mixte de conception (OMC) eny ani­von’ny distrika sy ny Faritra. Miantoka ny fandriampahalemana sy ny filaminana, mialoha sy mandritra ary aorian’ny fanatanterahana an’izay fifidianana izay, izany. Miara-miasa amin’ireo hery fiarovana sy filaminana rehetra, miaramila sy zandary ary polisy eny ifotony. “Noho izany, mangataka ny Synad mba homena toerana iray ao anatin’izany Antenimierandoholona izany, amin’izay hotendren’ny filohan’ny Repoblika”, hoy izy. Ny administratera sivily no antoka amin’ny fampandehanana ny raharaham-panjakana eto Madagasikara. Ilaina ny hisiany ao anatin’izany andrimpanjakana izany.
Lazain’ny sasany fa ao anatin’ny vanim-potoan’ny orana ny 11 desambra hanatanterahana ny fifidianana loholona, nefa mpifidy vaventy aza no hifidy. Rehefa tapitra ny fe-potoam-piasan’ny Ante­nimierandoholona, izay dimy taona, tsy maintsy tanterahina ny fanavaozana izany. Noho izany, ara-dalàna io fifidianana loholona amin’ny 11 de­sambra io. Misy ny fanendren’ny filohan’ny Repoblika ny iray ampahatelon’ny mpikambana, Mahafeno an’ireo fepetra amin’ny fahaiza-manao manokana ireo olona tendrena amin’izany, eo amin’ny toekarena na sosialy na kolontsaina. Mahafeno an’izay fepetra izay ny administratera sivily.

R. Nd.

Partager sur: