Nitsidika ara-pomba fifanajana ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, teny Faravohitra, omaly, ny lehiben’ny mpirakidraharaha eny anivon’ny Filankevi-panjakana, Razafimahery Todisoa Nandrianina. Nifantohan’ny dinika ny asam-pitsarana sy ny fanatsarana izany ary ny fahaiza-manao eo anivon’ny Filankevi-panjakana.
Nilaza ny mpitarika ny RMDM, ny pasitera Tsarahame Edouard, teny Bel’Air, afakomaly, fa tsy handray anjara amin’ny fifidianana loholona amin’ny 11 desambra izy ireo. Tsy ara-dalàna ny fanomanana ny fifidianana, tsy ara-dalàna ny mpifidy: iza no mifidy loholona? Tsy nofidina ny lehiben’ny Faritra sy ny lehiben’ny Faritany, ny ben’ny Tanàna tsy mbola feno.
Tokony hamoaka hevitra momba ireo Nosy malagasy manodidina ny SADC, araka ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny antoko Teza, Rakotoamboa Jean-Louis. Amin’izao fitondran’ny filoha Rajoelina ny SADC izao, entina eo anatrehan’ny vondrona ny amin’izany. Efa tapaka tamin’ny ONU fa an’i Madagasikara ireo Nosy ireo, ka tsy maintsy haverina.




