Eo amin’ny tontolon’ny lamaody sy ireo filirony miaraka aminy. Ao anatin’ny andiany fahatelo ny hetsika «Mode éthique et durable». Miompana amin’ny fanapariahana ny indostrian’ny kolontsaina sy ny famoronana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izany. Ho an’ity taona 2025 ity, mpamorona 11 no voafantina hiatrika ny famaranana, raha nahatratra 80 ny isan’ny mpandray anjara.
Ankoatra ny fitahirizana ny fototra, voatsinjara ao anatin’ny sehatra na sokajy roa lehibe izy 11 mianadahy eo amin’ ny famoronana akanjo sy famoronana ireo kojakoja miaraka amin’ireny akanjo ireny. Manaraka fiofanana mandritra ny 100 ora mahery izy ireo, mialoha ny hiatrehina ny famaranana. Ny mpifaninana voalohany isan-tsokajy no hisitraka ny fivahinianana sy fifanakalozana traikefa ary fampivelarana ny talenta any Frantsa, amin’ny taona 2026.
Anisan’ireo hiatrika ny famaranana izay hotontosaina ny 2 ka hatramin’y 20 oktobra izao i Onisoa Gilberte Razafimahatratra (akanjo), Fo Fanahy N’Ando Rakotonarivo (filirony), Elissah Hajarison (akanjo), Lanto Rakotoarivelo (filirony), Erica Ramanoara (akanjo), Bruno Betina (filirony), Hantasoa Jeannie Myriam Harivelonambinina (akanjo), Fabienne Raoily Ralambomanana (filirony), Jean Jordan Rabemananjara (akanjo), Richiandy Raherinjatovo (filirony), Onitiana Randriamisandratra (sportswear ».
HaRy Razafindrakoto




