Sampana SADC any Chine: Hamafisina ny fiaraha-miasa sy ny fifandraisana

Ny masoivohon’i Madagasikara any Chine no filohan’ny sampana Sadc any an-toerana. Himasoana ny fikarohana fiaraha-miasa sy ny fanamafisana ny fifandraisana amin’ny firenena sinoa.

Ny lafiny tontolo iainana, toekarena, diploamasia… Ireo no anisan’ny hodinihina akaiky anatin’ity vondron’ny SADC any Chine ity, manomboka izao, araka ny fampitam-baovao voaray tamin’ny tambajotran-tserasera, omaly. Fantatra izany tamin’ny famindram-pitantanana teo amin’ny ambasadaoron’i Madagasikara any Chine sady filohan’ny sampana SADC any Chine, Dr Jean-Louis Robinson, sy ny filohan’ny samapna SADC any Chine teo aloha, ny ambasadaoron’i Zimbabwe, i Abigail Shoniwa. Tao amin’ny masoivohon’i Zimbabwe, Teri Beijing, no nanaovana izany. Hodinihina akaiky koa ny lafiny fanabeazana sy fahasalamana ary fambolena.
Hikaroka fiaraha-miasa sy hanamafy ny fifandraisana amin’ny firenena sinoa ireo firenena 16 mpikamban’ny SADC, eo anatrehan’ireo tetikasa tapaka tamin’ny fivorian’ny Focac 2024 izay natrehin’ny filohan’ny Repoblika, Ra­joelina Andry, sy ireo delegasionina niaraka taminy tamin’ny volana septambra 2024. Voalohany izao no nisiana firaisankina amin’ny hijerena izay fampandrosoana ny firenena 16 mpikamban’ny SADC avy amin’ny masoivohon’ireo firenena ireo any Chine. Fivondronana hampiroboroboana ny fifandraisana ary vina ny hanokatra ivontoeram-pifandraisana any Gouanz­hou, renivohitr’i Chine. Mian­kina amin’izay laharam-pahamehan’ny isam-pirenena kosa no hanapahan’ireo mpikamban’ny SADC any Chine ny filany amin’ireo tetikasa maro ireo izay hatolotra ny mpitondra isam-pirenena tsirairay avy. Ho an’i Madagasikara, ho trandrahina ny fiaraha-miasa amin’ny lafiny toetr’andro, amin’ ny sehatry ny tontolo iainana ary ny momba ny fambolena.

R. Nd.

Partager sur: