Volana septambra : Raikitra ny « Zarasehatra bagasy Vonona »

Rehefa nanomana tao anatin’ny fotoana naharitra, raikitra fa hotanterahina anio, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, etsy amin’ny efitrano malalaky ny Aro Antsahavola, ny «Zara­se­hatra bagasy» nampitondraina ny lohahevitra «Vonona». «Efa vonona eo an-dampihazo ny mpisehatra rehetra. I Mbosa no mandahatra ny hira sy mandrindra ny fidirana ny sehatra… Tandremo tsy hisy fotoana very afa-tsy ny fanolorana. Aza misy hadinoina ny lesona nianarantsika», hoy i Lydie Ratefiarison, filohan’ny Sehatra Bagasy.
… Raha io hafatra sy fepetra io. Hanana endrika miavaka ity «Zarasehatra bagasy Vonona» ity, satria, efa nomanina sy narindra ary nohatevenina ny fahaiza-mifehy ny bagasy ho an’ireo hiakatra ny sehatra, anio tolakandro. Fanirian’ny mpitia ny bagasy ny hitohizan’ny fanatevenana sy fanatsarana ny endriky ny seho sy ny votoatin’izany hatrany.
Marihina fa anisan’ny hira mahazo vahana any amin’ny ta­nora ankehitriny ny bagasy. Na tsy mbola lalim-paka aza, ma­ha­tsapa kosa ireo zoky (mpanakanto na manan-talenta) fa ha­na­na ny hoaviny tsara ny bagasy raha manohy ny ezaka efa na­tom­bony hatramin’izay ny tsirairay. Iray amin’ireo ban-kira tokana aman-tany, na tsy faheno firy maneran-tany ny bagasy avy eto Imerina.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: