« Angaredona Mozika Festival » : Hanasongadina ny fahasamihafana ara-javakanto

Harena ny fahasamihafana. Aty amin’ny tontolon’ny za­vakanto sy ny kolontsaina no tena voamarina indrindra izany. Izay mantsy no hasongadina mandritra ny «Angare­dona Mo­zika Festival», nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny sa­botsy 13 septambra teo, teny Ambohimanga. Hita taratra sahady, teny am-panombohana, ilay «kolontsaina mampiray firenena», araka ny lohahevitra hovoizina mandritra ity andiany faha-19 ity.
Nosantarina tamin’ny carnaval ny hetsika ka nahitana ny fandraisan’anjaran’ireo fi­kam­banana samihafa ao amin’ny fo­kontany 22 mandrafitra ny kaominina Ambohimanga Rova izay mampiantrano ny he­tsika. Nanamarika izany car­naval izany ihany koa ny fahaatongavana’ireo Raiamandreny ara-drazana izay nahitana ampanjaka sy tangalamena maromaro avy amin’ny faritany samihafa, avy amin’ireo foko 22. Nanamarika ny fahatongavan’izy ireo ny loko mena ma­revaka nentin’ireo avy ao amin’ny Tranoben’Imerina izay ni­andraikitra ny fahtongavan’izy ireo teo Ambohimanga Rova.
Teo amin’ny hetsika ara-javakanto kosa dia hita Taratra ihany koa izay kolontsaina mampiray firenena izay ta­min’ ny fandraisan’ireo mpanakato maro avy amin’ny faritany sa­mihafa. Nampiseho ny ta­len­tany tamin’ny Jijy Sakala­va ny tarika Volazara avy any Ka­tsepy. Toy izany koa ny tarika Akon’i Mania avy any amin’ny faritra Amoron’i Mania sy Jean Piso sy ny angorodaony avy any amin’ny faritra Atsimo. Ankoatra izay ny ko­lontsaina Betsimisaraka nahitana an’i José Besaroka (Ba­se­sa) sy ny Tarika Kaiam­ba izay mbola ao amin’ny heriny tsara na dia efa nahazo taona aza ireo mpikambana ary nampifandray tanana ny rehetra tamin’ilay hira « samy Malagasy ».

Zo ny Aina

Partager sur: