Natolotra ny orinasa Elite Communication ny fitantanana ny fotodrafitrasa ara-panatanjahantena Arena Toamasina. Tsiahivina fa mpandraharaha mbola tanora no hitantana ity Kianja mitafo manara-penitra any amin’ny faritra Atsinanana ity.
Tontosa araka ny tetiandron’ny fitondram-panjakana, tarihin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, sy ny praiminisitra Ntsay Christian, ny fametrahana ny fitantanana ny Arena Toamasina ho eo am-pelatanan’ny orinasa tantanin’ny tanora sy mpandraharaha ao amin’ny faritra Atsinanana. Natolotry ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), i Abdulah Marson Moustapha, ho an’ny orinasa Elite Communication ny fanalahidin’ity toeram-pialamboly sy fanaovana fanatanjahantena ity, omaly. Nialoha izany ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny roa tonta. Nofaranana tamin’ny lahateny nifandimbiasana ny lanonana, izay nanamafisan’ny Minisitra ny maha zava-dehibe ny fikajiana ny fananana iombonana tahaka ny Arena Toamasina. Nohamafisiny ihany koa fa tokony ho hain’ny tanora sy ny mpanao fanatanjahantena ny manararaotra ny fisian’ny fotodrafitrasa maoderina tahaka izao. Nanome voninahitra ny fotoana ny minisitry ny Asa vaventy, Rafidison Richard Théodore, izay sady minisitra mpiahy ny faritra Atsinanana. Tonga ihany koa ny solontenan’ny fiadidiana ny Governoran’ny faritra Atsinanana, ny Prefektiora ary ny Kaominina Ambonivohitr’i Toamasina.
Fitia Randria




