Baolina kitra – Cosafa U17: Nomontsanin’i Afrika Atsimo, 5 no ho 1, ny Barea

Tojo faharesena fanindroany indray ny Barean’i Mada­gasikara, sokajy zandriny U17, omaly tatsy Harare, Zimbabwe, nandritra ny fifanintsanana isam-bondrona hiadiana ny ho tompondaka ho an’ireo firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika (Cosafa). Nomontsanin’i Afri­ka Atsimo, tamin’ny isa mavesatra 5 no ho 1, ny zandrikely malagasy. Tsy niady mihitsy ny fihaonana fa nanjakan-dry zareo afrikanina tatsimo ny 90 mn nilalaovana. Nanantombo tamin’ny tanjaka sy fahaizana mameno kianja ry zareo. Hany ka tsy nahita hirika handinganana mihitsy ny Barea, nandritra ny fizaram-potoana voalohany. Porofon’izany, tsy nahazo na “corner” iray aza ny Barea nandritra ny 45 mn voalohany.
Ny Barea anefa no nahatafiditra baolina voalohany. Tsy nahasakana ny afrikanina tatsimo anefa izany fa totoafo ny fanafihan’izy ireo ka nisesy ny baolina tafiditra. 3 no ho 1 ny isa nentin’ny roa tonta niala sasatra. Fidirana faharoa,
niezaka nanao izay ho afany ireo boaikelin’ny Barea, notarin’i Thecie sy i Rondy ary i
Tey­shan. Mbola nanampy bao­lina roa indray ry zareo afrikanina tatsimo, ka lasa 5 no ho 1, ny isa. Nisy ihany ny fanafihana nataon’ny Mala­gasy saingy tsy maty. Anisan’ ny nanavotra betsaka ny Barea, i Alhan, mpiandry tsatoby. Efa raraka ny Barea, na mbola hifandona amin’i Zam­bia, eo amin’ny andro fahatelo aza. Fi­haonana hotanterahina rahampitso.

Tompondaka

Partager sur: