Madiva hifarana ny taona 2025. Samy ao anatin’ny fanaovana tombanezaka, ankehitriny, ny federasionina isanisany, ny klioa tsirairay ary ny atleta sy ny mpanazatra. Fomba fanao mahazatra izany rehefa tapitra ny taom-pilalaovana. Hitodihana ny lasa, hibanjinana ny hoavy. Misy anefa ireo mifangarika be ihany. Tsy miady tsy miady fa kibay an-kelika ihany. Mifamingana anaty, mifanipy hoditr’akondro. Toa manao Ankatso sy Ambohidempona. Mifanatrika fa tsy mitafa, mifanakaiky fa tsy miresaka. Maraina, mifandongilongy, hariva mifanakon’andro.
Tsy mba maniry hiakatra toa trafon’omby fa mifampisintona ho ambany toa rambony. Ny mahavita mirehareha, toa sangany. Ny tsy nahomby, mianjona sy manao fo lentika ka manao izay hidarabohany. Tsy mifanohana sy mifanoro fa manao toa an’Ankatso sy Ambohidempona. Mahamenatra ny maheno fanaratsiana sy fanosoram-potaka. Manao fively Ampongan’i manendy, ny andahiny dobodobohina mila ho afaka aina, ny ambaviny, lemilemena.
Tsy hikororoka ny efa madio, na hitsoka ny efa mirehitra. Tsy hanitsy ny efa mahitsy na hamerina ny efa voalaza fa tsy mety ny manao toa ny ranotrambo, be fihavy fa mora ritra. Aleo manao fihavanan-damba ê! Raha triatra azo avitrana, raha rovitra azo akambana.
Ny zoky natao hanoro ary ny zandry natao hanoa, koa raha misy ny tokony hifananarana, tanterahina am-pitiavana izany. Ny tsihy tokoa no fola-mandefitra, fa ny mihenjan-droa mora tapaka, izay to fo mpamosavy fa ny malemy fanahy tratra am-parany. Koa aza manao toa an’Ankatso sy Ambohidempona fa aleo hiara-hitopa toa ranon’Ikopa, hiara-kilasy, toa ranon’Itasy.
Tompondaka




