FANTINA sy FINTINA

Anisan’ny lahadinika amin’ny fivoriambe faha-80 hataon’ny Firenena mikambana (ONU) ny 22-27 septambra, any New York, Etazonia, ny amin’ny tokony hamerenan’ny fanjakana frantsay ireo Nosy malagasy manodidina, izay efa namoahana fehinkevitra tamin’ny 12 desambra 1979. Amin’izao, ao anatin’ny antontan-taratasy faha-60 izany.

“Zava-dehibe ilaina eto amin’ny firenena ny fahamarinan-toeran’ny fanjakana”, hoy ny fanehoan-kevitry ny depiote teo aloha, voafidy tamin’ny anaran’ny IRD, i Velontsara Paul Bert. Mba hisian’ny fampandrosoana mirindra sy maharitra izany. Mila fahatsapan-tenan’ny tsirairay sy ireo andrimpanjakana samihafa izay fahamarinan-toeran’ny fanjakana izay.

Mbola misy ny didim-pitondrana fanatan­terahana ny fifidianana loholona amin’ny 11 desambra, araka ny nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina sady mpitondra tenin’ny gover ne­manta, i Mara Volamiranty Donna. Mbola hanome ny antsipirian’izany izy. Manohy ny asany ireo
loholona, hiatrika ny fivoriana ara-potoana amin’ny oktobra.

Partager sur: