Marihina anio ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny demokrasia, izay ankalazaina any Antsiranana. Mandalo eto Antsiranana, amin’izao fotoana izao, ireo mpikambana ao amin’ny birao maharitra, ny mpanolotsaina ambony eo anivon’ny Filankevitra ambony miaro ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna (HCDDED). Mitarika izany, ny filohany Ranadialson Angelo. Anton-dian’izy ireo ny hanatanteraka atrikasa ho fampahafantarana bebe kokoa ity rafi-panjakana ity sy ny famelabelaran-kevitra momba ny andraikitra sahaniny. Manampy izany ny fitsidihan’ny delegasionina ny fonjaben’Antsiranana. Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba fanajana ireo manam-pahefana isan-tsokajiny any an-toerana, toy ny eo anivon’ny faritra , tao amin’ny biraon’i Governora Rakotomanga Taciano, izy ireo.
Nihazo ny Tranoben’ny serasera sy kolotsaina Banja ny rehetra nanatrika ny lanonam-panokafana ny atrikasa sy nanatrika ny famelabelaran-kevitra narahina adihevitra. Niompana amin’ny asa sy andraikitry ny HCDDED izany. Nambaran’ny goveronora fa tsy misy fampandrosoana vanona raha tsy misy ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna. « Manana harena isika ary betsaka izany, na an-dranomasina na an-tanety, na an-kibon’ny tany. Tsy handroso mihitsy ny firenena anefa raha tsy mipetraka ireo fotokevitra ireo », hoy izy. Nanteriny fa hitondra ainga vao ho an’ny faritra sy hanala ireo zavatra manjavozavo sy saro-pantarina mahakasika ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna ny fandalovan’ireto delegasionina ireto any an-toerana. Mitaky fiaraha-misalahin’ny rehetra kosa ny fanatanterahana izany, araka ny nambarany hatrany.
Fitia Randria




