Lomano : Nitondra vokatra tsara ny fiofanana tany ivelany

Anisan’ny nisitraka ny fiofanana avy amin’ny Federasionina iraisam-pirenen’ny taranja lomano, i Madagasikara. Malagasy mpilomano roa no niatrika izany, tamin’ity taona ity.

Nigadona an-tanindrazana, omaly, ireo Mala­gasy mpilomano mianadahy, niaraka tamin’ny Tale teknika nasionaly, niatrika fiofanana avy amin’ny “World Aqua­tics”. Nambaran’izy ireo fa maro ny lesona sy fahaiza-manao nandritra ny fiofanana natrehan’izy mianadahy, Rako­tobe Tendry sy Andrianaho Marie Ange. Porofon’izany ny nahazoana vokatra tsara, nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, Zone IV, natao tany Eswatini farany teo. Medaly 6 be izao no norombahin-dRakotobe Tendry, ka 3 ny volamena teo amin’ny 50m NL, 200m QN ary 50 m Pap. Medaly volafotsy 3 ihany koa no azon’i Tendry teo amin’ny 50 m Dos , 100 m Dos ary Relais 4x100m QN. Ho an’i Andrianaho Marie Ange kosa, nahazo ny medaly alimo izy teo amin’ny 200 m Pap. Nambaran’i Marie Ange fa teknika maro no azony nandritra ny fiofanana. Nanamafy ihany koa ny DTN eo anivon’ny Madagascar Aquatics, Andriamanantena Vony, fa nisy ny fianarana natao , toy ny fampahafantarana ny atao hoe “récupération”, ny fiarovana amin’ny ratra mahazo, ny “biomécanique” amin’ny karazana lomano rehetra. Ho an’ny Madagascar Aquatics kosa, ny volana oktobra izao no hisokatra ny taom-pikatrohana manaraka. Hiezaka hatrany ny federasionina hanatsara ny vokatra izay efa azo ary hampitombo hatrany ny teknikan’ny Malagasy mpilomano. Tsiahivina, medaly 28 be izao no norombahin’ny Malagasy 16 mianadahy, nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, Zone IV, natao tany Eswatini, ny volana aogositra lasa teo.

Mi.Raz

Partager sur: