Mba tsy misy hadino…  

Tsy moramora ny fiatrehan’ny vahoaka ny fiainana andavanandro. Ao anaty fahasahiranana lava… Vao main­ka mafimafy izany amin’izao? Eo, ohatra, ny fizakana ny fampidirana mpianatra. Toy izany koa ny fisiana fanahiana sahady ny amin’ny famatsian-jiro sy rano ao anatin’ny maintany. Eny, na ny fiatrehana ny maitsoahitra aza. Efa misy ny fitsinjovana lavitra mialoha ny amin’izany rehetra izany? Na izany aza, mety misy hatrany ny karazana ambana tsy ampoizina. Eo ny fiovaovan’ny toetr’andro, faran’izay manahirana ny maneran-tany amin’izao: mafana tafahoatra, ohatra, rehefa lohataona; mangatsiaka tsy araka ny mahazatra amin’ny ririnina; mahadibo-drano ny tanàna fahavaratra… Amin’izany, tsy mazava intsony ny fizaran-taona fa mifangaro voraka.
Inona no ilazana sy itanisana izany rehetra izany? Manampy trotraka ny fahasahiranana isan’andro mandavantaona izay fiovaovan’ny toetr’andro izay, ohatra. Eo koa ny fiakaran’ny vidim-piainana noho ny fisavoritahana eo amin’ny tontolon’ny varotra sy ny fitaterana maneran-tany, noho ny ady etsy sy eroa, ny fanahiana tsy fahampian-tsakafo na mosary eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena… Mby aiza ny fiatrehana izany eo amin’ny sehatra anatiny? Fahavitan-tena amin’ny sakafo, famahana olana ny famatsian-jiro sy rano… ? Efa misy fanapahan-kevitra. Mitaky fanatanterahana; mila fifampitokisana, faharetana… Tena mandeha amin’ny famahana olana izay atao rehetra amin’izao? Eo ny vahoaka mahita sy mitsara izay misy iainany isan’andro.
Ny mpitondra no manjaka dia ny vahoaka. Na ny va­hoaka no antom-pisian’ny fitondram-panjakana… Va­hoaka tompom-pahefana, mampindrana fahefana. Ha­traiza ny fanomezan-kasina amin’izay atao? Mba tsy misy hadinona ny asa na ny vahoaka… Alao hery!

R. Nd.

Partager sur: