Hetsika misy faka, mibanjina ny hoavy. Nanaovana poa-tsatroka ireo nitondra avo ilay « Revy gilita » teto an-tanàna. Azo antoka ny mpandimby.
Fahombiazana. Izay no mahafehy ny «Tafan-gilita Festival» andiany voalohany, izay tontosa ny faran’ny herinandro teo. Na teo aza ireo fingana sy fandripandrika isan-karazany natrehin’ny mpikarakara sy ireo mpisehatra, tafakatra ambony kokoa noho izay ilay fitiavana ny zavakanto, ka tsy tsapa firy ny fiantraikany. Nomem-boninahitra nandritra ny andro voalohany, ny sabotsy, ireo andrarezina nametraka ny anarany sy ny sanganasany, na mbola mampitoetra ilay revy gilita hatramin’izao :Kaolibera, Tselonina, Bekoto, Dama, Njila, Ralanto, sy ireo mpikambana ao amin’ny Lôlô sy ny tariny izay tonga manokana tamin’ity hetsika ity.
«Tsy nisy izany revy gilita izany raha tsy nisy ireo. Fankasitrahana sady fangatahana tsodrano ho an’ny mpandimby izao ataon’ny mi’Ritsoka Production izao. Hotohizanay ny hetsika», hoy ny nambaran’i Niry Ravelojaona, mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny kolontsaina nandritra ny taona maro, izay ray mpiahy ny «Tafan-gilita Festival” ihany koa.
Fa ampahany tao anatin’ny hetsika ihany ny pao-tsatroka. Nahatsapana fa nitohy ny «Revy gilita», ary tsy mbola hifarana ato ho ato iny andiany voalohany iny. Efa eo ry Zandry Gasy, izay nanaporofo an’izay fitohizana izay. Eo koa ireo mpiangaly gilita marobe, nivondrona sy nampiakatra avo ny lentan’ny hetsika. Vaky vava i Dama : «Manaiky ny talentan’ireo tanora mpiangaly gilita amin’izao fotoana aho. Azoko antoka ny hoavy, ary izao mbola manonofy fa amin’ ny alalan’ny zavakanto no hampiakatra ity Madagasikara ity», hoy izy.
Nasongadina manokana tamin’ity andiany voalohany ity ilay « Teny Lôlô sy ny tariny », izay namarana hatrany ny seho roa. Tsapa ny filan’ny mpankafy ny tarika, indrindra raha mbola azo atao ihany ny hamoriana ny mpikambana rehetra amina sehatra iray….
Zo ny Aina




