Mafy ny fifaninanana! Fa nisongadinana kokoa noho ireo namany, ka nandrombaka ny laharana voalohany tamin’ilay fifaninanana mitendry gitara, anatin’ny hetsika « Tafan-gilita Festival », i Hira. Tsara toerana hatrany izy nanomboka tany amin’ny dingana voalohany ka hatramin’ny famaranana, omaly. Nitovitovy ny safidin’ny mpitsara sy ireo mpankafy, izay nifidy teny Mahamasina. Mbola tanora kanefa tena manan-talenta amin’ny fitendrena gilita i Hira, ka izy no nahazo ilay gitara Taylor, anisan’ny lafovidy indrindra.
Laharana faharoa kosa Ramily, izay kavia fa manan-talenta goavana ihany koa. Nahazo ny gitara « Takamine » kosa izy. Fahatelo I Willy, nahazo ny gitara vita malagasy, novokarin’i Hery Gilita, izay vita amin’ny andramena. Samy natolotry ny mi’Ritsoka production ireo loka ireo. Mbola gitara ihany ny azon’ny fahatelo sy fahefatra, nomen’ny Tia Music, tantanan’i Tojo Guitariste, izay anisan’ny mpitsara ihany koa. Tsy niala maina fa samy nahazo loka avokoa ireo mpifaninana nanomboka teo amin’ny ampahefa-dalana, handrisihana ny hafa amin’ny dingana manaraka.
Zo ny Aina




