Tsy fahasalaman’ny Me Kira : Hikarakara azy ny minisiteran’ny Foloalindahy

Ao anatin’ny tsy fahasalamana ankehitriny ny Me Kira Michel, kapitenin’ny ekipam-pirenena fahiny amin’ny baolina kitra ary efa nitondra avo ny lazan’i Madagasikara, tamin’ny fotoanandrony. Taorian’ny antso vonjy nataony, horaisin’ny minisiteran’ny Foloalindahy manontolo ny fitsaboana azy. Omaly, tonga nijery azy teny an-tokantranony, ny jeneraly Andria­masimanana William Michel, tale jeneralin’ny rantsamangaikan’ny fiarovana no sady sekretera jeneraly mpisolo toerana, iraky ny minisitry ny Foloalindahy, niaraka tamin’ny jeneraly, Rakotondrabary Eric, talen’ny ofisy miaramila misahana ny fanatanjahantena sy kolontsaina. Nentina avy hatrany teny amin’ny hopitaly miaramila Soavinandriana ny Me Kira, ka raisin’ny minisiteran’ny Foloalindahy ny lany rehetra amin’izany. Hozahana manokana koa ny vadiny izay misy tosidra.
Ankoatra izay, ho raisina eo anivon’ny Cosfa koa ny zanaky ny Me Kira Michel, i Kira Malaza Albano, izay kalazalahy amin’ny taranja kick-boxing.

Tompondaka

Partager sur: