Mihovitra amin’ny Hip-Hop ny tanàna. Mandray ny andiany fahefatra amin’ny hetsika “Festival Godié Hype-Hope 4Ever” i Antsiranana. Efa nanomboka ny faran’ny herinandro teo ny hetsika, tamin’ny alalan’ny “Hype Hope Camp”, atrikasa nandritra ny 2 andro, nifampizarana traikefa ho an’ireo tanora mpiangaly ny Hip-Hop, teny amin’ny Montagne Des Français, Anosiravo. Fampidirana ihany izay, fa rahampitso no tena ivon’ny hetsika. Hotontosaina mandritra izay mantsy ny “carnaval” lehibe, hamakivaky ny tanàna, ka hatreo amin’ny Place Foch Diego Suarez. Maro ireo mpandray anjara no namaly ny antso, toa ireo tropy mpandihy, fikambanana ara-javakanto isan-tsokajiny, mpiangaly ny zavakanto an-tanàn-dehibe rehetra, sns. Haka endrika fampisehoana tsy ampoizina ny fandalovan’ireo mpandray anjara tsirairay mandritra izany.
Aorian’izay kosa ny fampisehoana sy fifampizarana traikefa eo amin’ireo samy mpanao hip-hop. Anisan’ireo handray anjara ry Lovaniaina Ravelo, Marin Dementohon, Allan Smith, Nazaria Tooj, Yo Kenny, Da Boss Sound, Lilvs, Nasci, Giovin Arpeur, 201 KG, Dna Crew, Sda Zana-Gasy, The legend D:S Dance, Assassin Crew, Los Gringos, Ata, Spider Star, Diversities Power, Urban Burst (Mahajanga), Kick of Crew (Antalaha), ny fikambanan’ny mpandihy avy any Antsohihy, sns. Araka izany, misy vahiny avy any ivelany sy avy amin’ireo tanàn-dehibe hafa, hivahiny amin’ity hetsika any Antsiranana ity.
Zo ny Aina




