Hatao ny 11 desambra izao ny fifidianana loholona, araka ny didim-pitondrana navoakan’ny governemanta. 60 tapitrisa ariary ny anto-bola isaky ny lisitry ny kandidà amin’izany.
Misy ny didim-panjakana 2025-912 navokan’ny governemanta, tamin’ ny 9 septambra 2025, izay fanaikana ny mpifidy amin’ny fifidianana loholona ho amin’ ny 11 desambra. Ny mpifidy vaventy no hanatanteraka izay fifidianana izay: ny ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina. Hanomboka amin’ny 6 ora maraina ny latsa-bato, ary hifarana amin’ny 5 ora hariva.
Ny didim-panjakana 2025-913, tamin’ny 9 septambra 2025, mamaritra ny anto-bola fandraisana anjara amin’ny firotsahan-kofidina: 60 tapitrisa Ar izany ho an’ny lisitra kandidà, fa tsy ho an’ny kan-didà tsirairay avy akory. Haverina ny anto-bolan’ny lisitra kandidà mahazo ny 10% amin’ ny vato manankery, na voafidy na tsia.
Ny didim-panjakana 2025-914, tamin’ny 9 septambra 2025, kosa no mamaritra ny fomba hanatanterahana ny fifidianana loholona. Manomboka amin’ny 9 oktobra, amin’ ny 9 ora maraina hatramin’ny 23 oktobra, amin’ny 5 ora hariva, ny fametrahana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina, araka ny And. 11. Ny 2 novambra no hamoaka ny lisitra kandidà mahafeno fepetra ka hiatrika ny fifidianana loholona ny Ceni. Hanomboka ny 9 novambra, amin’ny 6 ora maraina hatramin’ny 9 desambra, amin’ny 12 ora alina, ny fampielezan-kevitra. Andro fahanginana amin’ny fifidianana kosa ny 10 desambra. Araka ny And. 30, ny Ceni no hamoaka ny toerana hisy ny birao fandatsaham-bato amin’ izany fifidianana izay. 60 andro alohan’ny fifidianana no hamoahany izany, mialoha ny 12 oktobra. Biletà tokana no hampiasaina amin’io fifidianana loholona io, araka ny And. 35.
R. Nd.




