Mangingina ny raharaha politika amin’izao fotoana izao. Tsy arakaraky ny hevi-diso ketrehin’ireo milaza azy ho mpanohitra. Tsy vitan’izay fa mbola any an-dafindriaka, tsy afa-manao na inona na inona no be vava. Manao fampirisihan-diso ny vahoaka izay efa mahatsapa fivoarana eto amin’ny tanàna. Efa leom-boananana amin’ny hafitsoky ny mpilalao politika maloto.
Misy ireo mivoy hevi-diso! Maniry mafy ny loza ho an’ny tanindrazana. Mivavabavaka hisian’izany Népal Bis, izany. Sasanangy samihafa mila fahamailoana sy fitandremana lalina. Tsy handrorana mintsilany akory, fa ilana fahaizana ny mampitaha biby tokony hifampitaha. Tsy fakan-tahaka be fahatany, fa fisintonana lesona ho fanatsarana.
Firenena tsy mendrika handalo kirizy intsony i Madagasikara. Mitady fanohizana maharitra ny asa fampandrosoana efa natomboka. Mila firaisan-tsaina amin’ny tsara, mila fampitovizana tadin-dokanga. Ny Malagasy tsivakivolo mifanolo-tanana no afaka mampivoatra ny ambaindain’ny isan-tokantrano. Tsy misy asa ho vanona anatin’ ny fifampikorontanana na ny fanaovana antsojay. Tsy maintsy mifanohana anaty fahadiovam-po.
Hamehezana ny fifampizarana anio ny fanamafisana orina ny fifankatiavan’ny samy Malagasy, tsy miditra anatin’ny vela-pandriky ny mpamendrofendro. Mampirisika fotsiny no ataon’ny sasany. Tsy vitan’izay fa mbola mitetika ny hamantam-bonona sy hitavana ny herim-pon’ny sasany. Sady tsy mifofotra no tsy hively vy, kanefa mitetika hitondra firenena. Tsy vitan’izay fa mbola mikotrika fankahalana sy valifaty goavana. Dia sanatria ho boribory vetaveta eto.
r.r




